Hifarana tanteraka afaka 2 andro ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des Fonctionnaires), tanterahina eto Toamasina. Efa fantatra sahady ny toerana hanaovana ny andiany manaraka, taorian’ny fikaonandoha nataon’ny mpikambana teo anivon’ny Asief. Araka izany, any Nosy-Be Hell Ville indray ny hanaovana ny fifaninanana Asief, […]
Other News
Efa indroa nigadra : lehilahy nisandoka ho kolonely voasambotra
Tratran’ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho kolonely hatry ny ela teny Soamanandrariny, Ambohimangakely, afakomaly. Milaza azy ho manamboninahitra ambony, mahavita mamoaka olona any am-ponja ity kolonely sandoka ity. Efa mananika ny faha-64 taonany, reseny lahatra amin’ny filaza masaka ireo sendra azy. Vitany avokoa ny mamoaka ny gadra mamita sazy […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ialanana Vavolombelona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10) ny fanamarihana ny faha-30 taona niorenan’ny sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Haharitra 4 andro ny fanamarihana izany eny an-toerana izay hihaonan’ireo Sampati manerana ny Nosy. Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra isam-paritra eo anivon’ny fikambanan’ny varira eto Madagasikara. […]
Loholona Ramanambitana Richard : “Tsy mety ny fiaraha-mitantana telo volana mialoha ny fifidianana”
“Tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana intsony ny fiaraha-mitantana, telo volana mialoha ny fifidianana filohan’ ny Repoblika”, hoy ny loholona sady filohan’ny Ifi, Ramanambitana Richard, momba ny toe-draharaham-pirenena. Izay fiaraha-mitantana izay no hanimbana ny asa tsara vitan’ny fitondrana. Mbola hahavitan’ny fitondram-panjakana zavatra tsara ho an’ny vahoaka izany telo […]
Fianarana sy fiofanana: Te handeha lavitra amin’ny politika Rotsiniaina
Nambaran-dRotsiniaina Herimalala fa anisan’ny nanamarika ny fiainany ny naka tahaka ireo raiamandreny ao anaty fianakaviana. Nisehatra tamin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo, teo anivon’ny distrika sy ny kaominina na koa tamin’ny sehatra tsy miankina. “Nandray andraikitra tsikelikely teo amin’ny mpianatra sy ny fikambanana: Manda sy Mafami ary TMMM aho […]






