Tsy mety fongana ny fangalarana an-tsokosoko sokatra. Miisa 24 ny sokatra (sokake) lehibe hita tany amin’ny tanànan’i Magnary, fokontany Behavoha, kaominina Itampolo, ao amin’ny distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 3 aogositra teo. Tsy nisy tratra ireo mpanao trafika. Tovolahy mpiandry omby teny an-tsaha no nahita ireo sokake ireo […]
Other News
Fiaraha-miasa amin’i Rwanda: hohamoraina ny fampiasam-bolan’ny firenena roa tonta
Niatrika ny “Business forum Madagascar – Rwanda” sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Ao anatin’izany ny momba ny fampiasam-bola. Maherin’ny 40 ireo mpandraharaha sy orinasa nandray anjara amin’izany, ahitana ny Gem, Fivmpama, Sim, Symabio, Goticom, GFEM. Eo koa ny CTM sy ny […]
Tsy tokony hisy intsony ny delestazy: mihoatra ny filàna ny herinjiro vokarina eto Antananarivo
Efa mihoatra amin’ny filàna herinaratra ny vokatra ato amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) raha oharina amin’ny filàn’ny mpanjifa. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fanapahana herinjiro rehefa misy ny fikojakojana ny fitaovana. Tratra ny fe-potoana telo herinandro nomen’ny fanjakana, hanafoanana ny delestazy lavareny eto Antananarivo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitrin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Slam Sambava. Zuma Ianotombo sy Paracetamol no hisolo tena ny tanànan’i Sambava, mandritra ny “Slam national 14”. Vita ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana ho azy ireo. Hitohy amin’ny faran’ny herinandro izao izany, ho an’ny tanàn-dehibe sasany sahala amin’ny ao Antsirabe sy Fianarantsoa. “Formation Ainga”. Tantaran’ny haikanto, niarahana tamin’Andrianetrizafy Hemerson, […]
Fampianarana sy kolontsaina : hotokanana ny Tranombakoka « J. Nalisoa Ravalitera »
Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, mpanabe, mpikaroka, mpanoratra, mpikabary… Ireny rehetra ireny, voarakitra avokoa ! Hotokanana ny 12 aogositra 2023 izao, amin’ny 9 ora maraina, ny Tranombakoka « J. Nalisoa Ravalitera ». Trano miorina ao Tsarahonenana Imerimandroso Alaotra. Ho voarakitra ao anatin’ity tranombakoka ity avokoa ny mombamomba an’i Nalisoa Ravalitera. Ny fiainany, ny sanganasany, ny […]






