Hotanterahina afaka 3 andro, eto Madagasikara, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy “Cadet” sy “Junior”, taranja Judo. Tsy nisy ny fiovana fa 36 mianadahy, izany hoe 18 mianadahy ho an’ny “Cadet” ary 18 mianadahy ho an’ny “Junior”, ny Malagasy judokas hifaninana amin’io, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Atleta mendrika indrindra […]
Other News
Barea U20: tsy mandray anjara amin’ny “Lalaon’ny Frankofonia”
Very fanantenana tanteraka ny Malagasy mpitia baolina kitra. Tsy anisan’ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “lalaon’ny Frankofonia”, izay hotanterahina any Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay- 6 aogositra, ny baolina kitra. Araka izany, mijanona eto an-toerana ny Barea de Madagascar U20. Banga iray izany ny vondrona A misy ny Barea, […]
Rugby- seksiona Avaradrano ; Kandidà roa hifaninana ho filoha
Raha tsy misy ny fiovana, ho tanterahina ny zoma 4 aogositra ho avy izao, ao amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka, ny fifidianana ho filohan’ny seksiona Avaradrano, taranja rugby. Kandidà roa ihany no hany nametraka antontan-taratasy sy nahafeno ny fepetra dia Radimilahy René sy Andrianarivao Sitraka Nantenaina. Notsiahivin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby […]
Lalaon’ny Nosy-COJI : afa-po amin’ny fanomanana ireo Nosy rahavavy
Higadona afaka iray volana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana sy ny fandaminana rehetra ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny COJI, Rakotozafy Rosa. Maneho ny fahafaham-pony koa ireo Nosy rahavavy. Efa manomboka mivezivezy mandamina ny fivahinianana sy mijery ny fikarakarana sy fanomanan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, […]
Lisi-pifidianana : 11 043 838 na 81,25% amin’ny vina ny isan’ny mpifidy
Miisa 11 043 836 na 81, 25% tamin’ny vinan’ny Ceni 13,5 tapitrisa no isan’ny mpifidy, araka ny tatitry ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly, tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Nitombo 293 902 izany, fa 10 749 934 ny fanavaozana isan-taona (Rale), taona 2021-2022. Misy faritra fito latsaka […]






