Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, teny Ambohotsirohotra, omaly, ny delegasion’ny Antoko kaominista sinoa (PCC). Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Notsiahivina tamin’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara. Niarahaba manokana sy nidera ary resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny filoha Rajoelina ireto […]
Other News
Filoha dia filoha
Ny vola no ndeha hatao fototry ny resaka sy adihevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao? Tsy inona fa ny amin’ity hoe 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Misy ny tsy taitra. Toa zarany aza? Ao ny mampiaka-peo, miakatra afo… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na ny […]
TSELATRA
Dahalo raindahiny lavon’ny zandary tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, distrikan’Ambato Boeny, afakomaly hariva, nangalatr’omby. Niisa dimy lahy ireo olon-dratsy. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny dahalo iray. Manohy ny fanarahan-dia miaraka amin’ny zandary ny fokonolona. Tra-tehaky ny zandary tao Ambohimanambola ny lehilahy iray indroa sarona tamin’ny fangalarana varavarana vy, afakomaly. Efa sarona […]
Milaza ho mahita vazaha mpividy : tratra ny jiolahy iray milaza fa manana mena-bato
Tratran’ny zandary avy ao amin’ny “brigade territorial” Toamasina, eo ambany fibaikoan’ny GPHC Raherison Susthéne ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho manana mena-bato sy vola iray baoritra. Milaza ho manana mena-bato sy mahita vazaha mpividy izany ity lehilahy mpisoloky ity. Efa fomba fiasa fakany vola aman’olona izao fisolokiana izao. Tsy vitan’izay […]
Analavory : dahalo telo lahy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy. Namoy ny ainy ny dahalo telo lahy nangalatra omby tao Ankazomasina, fokontany Amparaky, kaominina Analavory, afakomaly alina. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona fa manafika ao an-tanàna ny olon-dratsy efatra mitam-piadiana. Nentin’izy ireo nandositra ny omby roa. Nanara-dia niaraka amin’ny tompon’omby very avy hatrany ny zandary notarihin’ny […]






