Other News

« Tombola Tafabe Orange » : nahazo fiara vaovao Ratompoarisoa Antoinette

Anisan’ny hetsika ankalazana ny faha-20 taona ny Orange Madagasikara ny lalao «Tombola Tafabe». Na­tolotra, omaly, ireo lokabe ka azon -dRatompoarisoa Antoi­nette ny fiara vaovao Renault Duster. Faharoa, moto scooter vaovao, lasan-dRasolon­dray Roger avy any Ambilobe. Fahatelo, lelavola (Orange money) mitentina 5 tapitrisa Ar ho an-dRalalaoharison José Marino, monina eto Anta­na­narivo. […]

Fifaninanana robotika: tafakatra famaranana i Madagasikara

Sambany i Madagasikara no tafakatra hanao ny dingan’ny famaranana fifaninanana robotika « Panafrican robotics competition » (Parc engineers league), laharana faharoa taorian’i Nizeria. Famaranana hatao any Sénégal, ny 23-31 jolay 2023. Manohana ny ekipa malagasy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny fampiroboroboana ny niomerika ary ny paositra (MNDPT). Homen-danja […]

Minisitry ny Angovo: tokony tsy hisy intsony ny delestazy afaka tapa-bolana

Anisan’ny fepetra raisin’ny fanjakana hanatrarana ny fe-potoana telo herinandro ny fampitomboana ho 100 ny isan’ ny fiarabe mpitatitra solika “fuel”. Hampitomboana koa ny tahirin-tsolika. Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa, mikasika ny tenin’ny filoham-pirenena hanafoana ny delestazy ao anatin’ny 3 herinandro. Nitombo be ny […]

INDRAY MIJERY

Nandrafitra paikady vaovao momba ny ady amin’ny tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Voarakitra ao anatin’io ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary. Ampiharina eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra eto Madagasikara izany paikady izany. Teny amin’ny Homi(CenHoSoa) no nanaovana ny fifampizarana mikasika izany. Ao anatin’ny fotoanan’ny fialantsasatra, mamonjy morontsiraka na midina any ambanivohitra ny […]

TARATRY ny KANTO

Hahemotra rahampitso ny “Manala azy vita Bacc”. Na efa vonona aza ny Olombelo Ricky sy ny mpikarakara, voatery noraisina ny fepetra noho ny zava-nitranga, ny alarobia teo. Manan-kery hatrany kosa ireo tapakila efa lafo, ary tsy miova ny fandaharam-potoana, raha ny fanazavana, omaly. Ao Antsahamanitra ihany, manomboka amin’ny 3 ora […]