“Amiko, rediredin’ny mpanao politika matahotra fifidianana ny fivoizana zom-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, matoa nahazo nirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018, ny dikan’izay: ara-dalàna ny antontan-taratasy napetrany. Mizaka ny zo feno izy, mahafeno ny fepetra rehetra hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Adihevitra efa tsy […]
Other News
Fitsidiham-paritra nataon’ny filoha : nisitraka fotodrafitrasa sy fanampiana i Sainte Marie
Nitohy ny sabotsy teo ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny tany Sainte Marie. Anisan’ny nanatrika ny “Festival des baleines” ny tenany rehefa avy nitokana ny fiangonana katolika voalohany eto Madagasikara nohavaozina. “Tanàna mahafinaritra, mendrika hampandrosoana ary tsy ho hadino intsony ny aty. Nivavaka ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy koa […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny fanamboarana ilay fantsona simba teny Ambatoroka. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo toerana voakasiky ny fahatapahana. Nohamafisina ilay fantsona mba hisorohana ny hihetsehan’izany. Tsiahivina fa tapaka nandritra ny ora maro ny rano tany amin’ireo faritra voakasiky ny fahasimbana. Nodinihina ny fomba hampitomboana haingana sy hanatsarana ny savony […]
« Tetikasa PA2R » : tantsaha 28 000 tokantrano hahazo tombontsoa
Hanatsarana ny fomba fambolena nentim-paharazana amin’ny fampitomboana ny karazana voly atao sy hampiroborobo ny teknika agroekolojika ary ny fahafaha-miatrik’ireo tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Ireo ny tanjona apetraky ny tetikasa «Projet d’appui aux relèvements et de résilience des 3 régions du Sud» (PA2R). Hiasa amina faritra telo any atsimon’ny Nosy ny […]
Ambohitromby Ankazobe : tafapetraka ny herinaratra avy amin’ny masoandro
Manampy amin’ny famatsiana herinaratra eny ifotony ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Notokanana ny sabotsy 15 jolay teo ny foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, eny Ambohitromby, distrika Ankazobe. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, ny […]






