Other News

Handball – IHF Trophy: hatao any Côte d’Ivoire ny fifaninanana

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoire, ny dingana famaranana amin’ny IHF Trophy kaontinantaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny. Samy mandray anjara amin’izany avokoa ny sokajy vehivavy « cadette » sy « junior ». Hiady izay ho lohany ato amin’ny kaontinanta afrikanina ny solon-tena avy amin’ny faritra […]

“Camp d’élites”: Malagasy vehivavy mpilalao 6 hisitraka fiofanana matihanina

Mihamafy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny NBA. Mpilalao basikety vehivavy malagasy miisa 6 hiatrika “Camp d’elites”, amin’ity volana jolay ity. Fiofanana matihanina hiarahana amin’ny NBA no hositrahan’izy 6 mirahavavy, ho fampiroboroboana ny basikety sokajy vehivavy malagasy. Karazana “Camp d’élites” 4 any Afrika Atsimo sy any Etazonia ity fiofanana ity. Mpi­lalao 3 […]

SOMBIM-BAOVAO

Mbola hisy fifaninanana, hataon’ny federasiona malagasin’ny atletisma hifantenana farany ireo hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Tsiahivina fa efa nisy ireo voatsonga mialoha, taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, natao tetsy Mahamasina, ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay lasa teo. Notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, afakomaly, ny andro faharoa, hiadiana […]

Orange Pro League : hatao vondrona iray amin’ny taona 2024

Nifarana omaly, ny fifaninanam-pirenena Orange Pro League (OPL), ho an’ny taona 2023. Nambaran- dRakotoari­manana Henintsoa, filohan’ny CFEM, teny Mahamasina fa mety hatao vondrona iray ity fifaninanana ity, mba hahafahan’ny klioba rehetra mifanandrina. Araka izany, tsy misy intsony ny vondrona avaratra sy atsimo. Marihina fa mbola hisy ny fivoriana mahakasika izany, ataon’ireo klioba […]