Other News

Ho raikitra amin’izay!

  Izay vao mazava ny lalan-komban’ilay firenena mala­gasy! Hivoaka ny volabe hoentina manatanteraka ny fifidianana. Miandry ny datin’andro fiantsoana ny mpifidy ny rehetra dia raikitra ny lalao. Mahatratra 2 tapitrisa Euros ny mety homen’ny Frantsay sy ny Vondrona eoropeanina. Mazava be rehefa mipotsaka ny mpiara-miombon’antoka, tsy misy intsony ny mpilalao […]

Tahiry ho an’ny fifidianana “Basket Fund”: nahazo vola avy amin’i Frantsa sy ny UE ny Ceni…

Nivaly ny fangatahana ary ho raikitra ny fifidianana ! Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia fa hanohana antsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène fa ha­nampy antsika amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny vola sy ny teknika (PTF). “Vonona hanome vola 2 tapitrisa Euros […]

TSELATRA

Nodimandry teny an-dalana hihazo ny tanindrazany ilay renim-pianakaviana may niaraka tamin’ny vadiny teo am-pandriana tao Andranomadio Toamasina. Efa namoy ny ainy afakomaly ny vadiny noho ny fahamaizana diso tafahoatra. Nialana nenina kosa ity vadiny. Tsy vita tao amin’ny Hopitalibe ka nentina hotsaboina amin’ny mpanao ody may ao Ampasimahatera Vohipeno. Namoy […]

Ady tao anaty « Bar » : vaky ny vavan’ilay sefo Cisco

Naratra vokatry ny katro-doha sy ny totohondry nahazo azy ny lehiben’ny Cisco iray. Tompon’antoka ny lehiben’ny distrika teo aloha, niady taminy tao anaty trano fisotroana. Vaky loha, niafara tamin’ny fifampitoriana ny fifandirana teo amin’ny ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Marolambo sy ny lehiben’ny distrika teo aloha, ny alin’ny fetim-pirenena. Efa nahazo famindran-toerana […]

Fanafihana mitam-basy: roa lahy naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy mitam-piadiana tra-tehaky ny zandary. Voasambotra tetsy Anosizato, ny alahady 2 jolay, izy ireo. Mpandeha nampiahiahy tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Arivonimamo izy mirahalahy. Nanaitra ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsik’izy ireo mahamahana. Natao ny fisavana, sarona teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Basy […]