Nanao fanambarana ny solontenan’ireo ligim-paritry ny baolina kitra, ny zoma lasa teo, teny Isoraka fa tsy manaiky ny fanaovana tery vay manta ny fifidianana seksiona manerana ny Nosy. Nambaran’i Hawell Mamodaly, filohan’ny ligin’i Menabe fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny lisitr’ireo klioba mandatsa-bato. Misy ekipa tsy nahavita […]
Other News
Misaona ny tontolon’ny basikety: nodimandry Robertson Dalton (Joma)
Semban-drahona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-31 taonany, ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ilay mpilalao basikety malagasy, Robertson Dalton, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma. Tao amin’ny klioban’ny GNBC Basket-ball izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Nanana ny naha izy azy i […]
Basikety – “World Cup U19”: Laharana faha-14 ny Ankoay
Nifarana, omaly, tany Debrecen Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona. Laharana faha-14 no misy ny Ankoay. Tafapetraka eo amin’ny laharana faha-14, ny ekipa malagasy, niatrika ny “World Cup U19”, taranja basikety. Tsy nahomby ny lalao fiadian-toerana nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Egypta, […]
TARATRY ny KANTO
Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, […]
Reko Band sy Rija Ramanantoanina : nohafanain’ny « Zara fitia » Antsahamanitra
Tarika sy mpanakanto roa samy manana ny mampiavaka azy. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Samy nihira ireo hira nahafantarana azy… Na namirifiry aza ny toetry ny andro, omaly, nafana ny teny Antsahamanitra. Nisantatra ny sehatra nitondra ny «Zara fitia» ny Reko Band. Hira mihetsiketsika nisesisesy avy hatrany no nisantaran-dry […]






