Other News

Vaovao tambatra

Tsy mbola mivaha ny olan’ny fihetsikehan’ ny mponina manohitra ny orinasa QMM any Taolagnaro. Efa 4 andro izao ny hetsika, nanomboka ny 26 jona teo. Tsy afaka manatanteraka ny fampandehanana, indrindra ny fikojakojana ny fitaovana, ny QMM, noho ny sakan-dalana ataon’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsara ho fantatra anefa, fa anisan’ny manampy […]

Kaominina Maromiandra : manamafy ny fitakiana hisokafan’ny Base ny mponina

Notokanana ny 24 jona teo ny tsena vaovao any amin’ny kaominina Maromiandra, distrika Toliara II. Fotoana iray nihaonan’ny manam-pahe­fana samihafa, toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny Tanàna ary ny governora Atsimo Andrefana. Niantefa any amin’ny filoha, Rajoelina Andry, ny fangatahan’ny ben’ ny Tanàna Maromiandra, Edson, hirotsa-kofidiana amin’ ny fifidianana ho filoham-pirenena […]

Haitao ara-kajy mirindra : nanomboka omaly ny Zah@geek 2.0

Mampivondrona mpise­hatra maro ao anatin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny hetsika Zah@geek 2.0 andiany faharoa, ataon’ny orange digital center Madagascar. Nanom­boka omaly ka haharitra roa andro, ity hetsika atao etsy amin’ny gara Soarano ity. Tanjona ny hampanana asa ireo tanora misehatra ny niomerika sy ny haitao ara-kajy […]

Ranaivoarisoa Vonifanja : sambany vehivavy ny tale jeneralin’ny CEM

Aina vao indray no hoentin’ny tale jeneraly vaovaon’ny Caisse d’Epargne Madagasikara. Tanjona ny hahazoan’ny orinasa tombombarotra, ny fitomboan-karena ary maharitra. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny alakamisy 29 jona teo, ny tale jeneraly (DG) hitantana ny Caisse d’Epargne Mada­gasikara (CEM). Taorian’ny masontsivana samihafa, tinapaka teo anivon’ny filankevi-pitantanana fa Ranaivoarisoa Vonifanja […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa mandritra ny « Festival Evason danse » andiany faharoa dia hotapaka amin’ny ampahany ny araben’ny fahaleovantena, ny talata 4 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tompon’andraikitra amin’ny filaminana mandritra izany ny mpikarakara ny hetsika. Mandritra ny carnaval ataon’ny Mpamakilain’i Madagasikara anio, manomboka amin’ny […]