Niantso mpilatsaka an-tsitrapo. Naneho fahavononana amin’ny hanaraha-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny biraon’ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana na SAFIDY, teny Ambatonakanga. Nivoitra tamin’ny fanambarana nataon’ity vondrona mpanara-maso ny fifidianana ity ny antso ho an’ny olom-pirenena hilatsaka sy handray andraikitra an-tsitrapo sy tsy misy tambiny ho mpanara-maso ny […]
Other News
Havàtsa-Upem : miditra amin’ny andro fahatelo ny atrikasa
Tontosaina anio, eny amin’ ny foiben’ny Havàtsa Upem, Tahala Rarihasina Analakely, ny atrikasa famoronana tantara foronina. Ny fikambanan’ny Poeta sy ny mpanoratra Havàtsa-Upem no mikarakara ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. “Anisan’ny fantsona sy fitaovana entina manabe ny tantara foronina ankehitriny. Izany indrindra no tokony […]
« Programme de participation » : tetikasa dimy nahazo fanohanana avy amin’ny Unesco
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Mise en oeuvre des projets soutenus par le programme de participation 2022-2023 de l’Unesco ». Nosoniavina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy, ny fanomezana tohana ho an’ny tetikasa dimy misehatra eo amin’ny tontolo iandraiketan’ity sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ity. Fantatra, araka ny […]
Lalaon’ny Frankôfônia : sokajin-kanto 8 no hifaninanan’ny Malagasy
Efa nivoaka ny lisitra. Taranja valo no handraisan’ny solontena malagasy anjara amin’ny sehatry ny zavakanto, mandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-9. Hotontosaina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Azo lazaina fa manan-ko hantenaina i Madagasikara amin’ireo sokajy hira, […]
Teatra manakaiky vahoaka : nahazo 12 tapitrisa Ar ho fampitaovana ny Tropy Jeannette
Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato. 6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanohanana hoan’ny Tropy Jeannette, mba hanatanterahan’izy ireo ny […]






