“Inona moa no krizy politika eto? Tsy Tetezamita no laharam-pahamehana, raha tena tia tanindrazana sy mijery ny vahoaka. Araho ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Fotoana fohy sisa ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Firosoana amin’ny fifidianana no vahaolana”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny IFI, ny pasitera Razafindramanitra Nestor. Raha mitady fahefana : […]
Other News
Fizakana zom-pirenena Frantsay : mangata-panazavana amin’ny filoha Rajoelina ny MMM
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly, manoloana ny fiparitahan’ny antontan-taratasy, manamarina ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika, ny zom-pirenena Frantsay. “Miantso am-panajana an’Andriamatoa Andry Rajoelina hitondra fanazavana feno izahay satria voatohintohina ny fiandrianam-pirenena ary voafitaka tanteraka ny mpiray tanindrazana”, hoy ny fanambarana. Nanterin’ny MMM fa manaja ny fahafahan’ny […]
Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina: “Tsy tomombana ny fanomanana ny fifidianana”
Anisan’ireo nandray ny iraky ny Frankofonia (OIF), i Micheline Calmy-Rey, mandalo eto amintsika ny avy amin’ny HVM, tarihin-dRajaonarimampianina Hery, tamin’ity herinandro ity, teny Andraharo. Nitondrany ny heviny tamin’izany ny momba ny fifidianana. “Iaraha-mahita ny lesoka sy ny tsy fahatomombanana amin’ ny fikarakarana ny fifidianana, tokony hotanterahina afaka volana vitsy”, hoy […]
Zotra an-dalamby FCE : niverina rehefa niato amam-bolana maro
Niverina nandeha, nanomboka ny alakamisy teo, ny zotra an-dalamby mpitatitr’ olona mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), rehefa niato nandritra ny volana maro. Niainga afakomaly maraina tao Fianarantsoa ny lamasinina, nitondra olona aman-jatony ka tonga soa aman-tsara tao Manakara, omaly. “Fahombiazana ny dia natao voalohany ka faly sy ravo izahay […]
Mampanahy ny korontana
Tetezamiitatra e ! Fifidianana e ! Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny vahoaka variana miady amin’ny fiainana, ry mpanao politika mitady ny fomba hahazoana fahefana misimisy kokoa. Ny mpanohitra sasany, mitady hirika mba hidirana anaty fitondrana, ny efa nahazo toerana sasany te hifikitra. Tsy mahagaga raha samy ahitana vondrona […]






