Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Mining business Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny Body bulding “Big Mada”. Niakatra ny lenta sy fahaiza-manaon’ireo atleta, araka ny nambaran’ny mpitsara. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny federasiona malagasin’ny fibatana fonjam-by, Randriamanarivo Harinelina, izay afa-po tamin’ny […]
Other News
Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Handball : hiatrika fampivondronana ny Akio de Madagascar
Hiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny Akio de Madagascar, sokajy senior, vehivavy. 22 mirahavavy ireo hiatrika izany mandritra ny tapa-bolana, eny Vontovorona. Fivondronan’ny teknisianina no hitarika izany. Taorian’ny fahombiazana azon’ny Akio de Madagascar, sokajy vehivavy cadette sy junior, ka nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny IHF […]
Zava-mahadomelina : lehilahy nahatrarana rongony 150 fonosana
Mpamatsy rongony ao an-tanàna, saron’ny zandary ny lehilahy iray ikoizana amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ao Antanifotsy, ny 1 jona teo. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo, niroso tamin’ny fisavana ny tranon’io lehilahy voatondro io ny zandary taorian’ny fahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Tratra tao ny rongony milanja 500 grama, natao anaty […]
Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina
Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Analanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroantsetra, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina, […]
Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono
Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Maroantsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Mahatante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Natolotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Antendromaso […]






