Association Madagascar Energie: nanome  fitaovana fiarovan-tena ho an’ny mpamonjy voina

Olana  tsy ahafahan’ny mpamonjy voina manatanteraka ny asany ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-miasa. Ezaka ataon’izy ireo anefa  ny  hanatsara ny fahaiza-manaony eo amin’io asa iandraiketany io, raha ny fanadihadiana natao. Vokany, nisitraka fitaovana vaovao indray izy ireo omaly. Fitaovana  sy fitafiana  iarovan-tena,  ho entin’ny sampana mpamonjy voina miasa ka  nitotaly 15  baoritra izany. Izay fanomezana avy amin’ny « Association Madagascar Energie”.

Manohana sy manampy betsaka  ny sampana mpamonjy voina izao  fanolorana  fitaovana azy ireo izao, hoy ny  kolonely Razafimanahaka  Tiana. Ezaka lehibe  ampitomboana  ny fifandraisana  sy ny fanatonana ny vahoaka ihany koa izao, hoy hatrany izy.  Nifanakalo hevitra ihany koa ny  roa tonta  taorian’izany. Mba hanohizana hatrany ny fiaraha-miasa.

Tsiahivina fa in-telo amin’izao ity fikambanana  ity no nanolotra fitaovana toy izao ho an’ny sampana mpamonjy voina. Tsy tapitra hatreto ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta fa mbola hitohy hatrany. Mba hanatsarana ny kalitaon’ny asa eo amin’ny sehatry ny famonjena voina eto Madagasikara.

 

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: