Namoaka vokatra telo vaovao ny tomponandraikitra ao amin’ny fiangonana Vavolombelon’i Jehovah, ny faran’ ny herinandro teo. Nadika amin’ny fiteny antakarana, antandroy ary vezo ny Testamenta vaovao izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny toeram-pivoriana Soamanandrainy, Ivato. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny faritra miteny ireo fitenim-paritra ireo no nahazoana ny fandikan-teny telo. An-taonany maro no nanatanterahana ny asa, araka ny fanazavana.
Olona mpino an’arivony no nanatrika ny famoahana ny Baiboly amin’ny dikan-teny telo ary nampitaina mivantana teny anivon’ny faritra maro eto Madagasikara ny hetsika. Tombanana ho olona 330 000 no miteny antakarana, mahatratra 1 400 000 no mampiasa ny teny antandroy ary 400 000 miserasera amin’ny teny vezo.
Vokatry ny fandikan-teny ny Testamenta vaovao amin’ ireo tenim-paritra telo ireo, afaka hamaky sy hahazo ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Baiboly ireo olona ireo. Teny tsotra, mora azo no nampiasaina hanamorana ny fampitana sy hampirisika amin’ny famakiana Baiboly.
Efa miroso amin’ny fandikana ny Testamenta taloha amin’ireo tenim-paritra telo voalaza ireo koa ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Azon’ny rehetra alaina ao anatin’ny tranonkala JW. ORG ihany koa ny dika elektronikan’ny Testamenta vaovao amin’ny fiteny telo.
Vonjy





