Ady amin’ny bilarziozy: Avadika ho asa mahomby ny voka-pikarohana

Natao teto Antananarivo ny andiany fahatelo amin’ny fi­hao­nambe momba ny paikady iadiana amin’ny bilarziozy eto Madagasikara (CCSM 2026).
“Avy amin’ny fikarohana ho amin’ny asa mivaingana, ho amin’ny fanafoanana ny bilarziozy, isongadinan’ny maha lahy sy maha vavy”. Io ny lohahevitra nentina nandritra ny fihao­nana. Manampahaizana nasionaly sy iraisam-pirenena manodidina ny 100 no nikaon-doha nametraka ny paikady. Nisy ny fifampizarana ny voka-pikarohana sy ny asa vita tamin’ny alalan’ny famelabelarana ara-tsiansa nataon’ireo mpandray anjara.
Tanjona ny hamadika ny voka-pikarohana sy ny angon-drakitra azo, ho lasa vinan’asa mivaingana sy ho paikadim-panjakana hiadiana amin’ity aretina ity, eto Madagasikara.
Nohamafisina manokana ihany koa ny resaka fahasalamana ara-pananahana sy ara-piterahan’ny vehivavy, indrindra manoloana ny loza mety hateraky ny bilarziozy mahazo ny taovam-pananahan’ny vehivavy.
Mbola misy ity aretina ity eto Madagasikara, miseho amin’ ny endrika maromaro izany. Tsy tokony ho mandrimandry manan’aretina fa manatona dokotera manao ny fitiliana rehefa misy tranga mampiahiahy.

Tatiana A

Partager sur: