Misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ao anatin’ny Programme Maurice-Afrique (Mass) – Édition 2027, ho an’ireo Malagasy maniry hanohy fianarana: Licence, Master (Mphil), Doctorat (PhD). Mila
mametraka antontan-taratasy eny anivon’ny SBEX, na amin’ny alalan’ny sehatra niomerikan’ny Mesupres https://boursesext.mesupres.mg/ ireo liana amin’ny tolotra.
Manatanteraka iraka fanaraha-maso ifotony ho fitsirihana sy fanentanana momba ny ady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny « Cellule d’audit interne et de lutte contre la corruption » (CAILC). Natao hanombanana sy hanatsarana ny fomba fitantanana, indrindra ny fampiasana sy ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fitantanan-draharaha eny anivon’ireo Talem-paritra sy ny toeram-pampiofanana izany.
I Mahajanga no mandray ny kongresy nasionalin’ny Syndicat du personnel administratif et technique des universités » andiany faha-11. « Sendika mijoro, manavao amin’ny alalan’ny teknolojia, mikatsaka ny soa iombonana» ny lohahevitra amin’ity andiany ity. Tao amin’ny Amphithéâtre de la solidarité no nanatontosana ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny fiandohan’ny herinandro teo.





