Tetikasa Tosika Fiavota: havotana amin’ny fianarana ny ankizy any Androy sy Anôsy

Nanatanteraka ny fizarana ny tosika Fiavota tany amin’ny fokontany Ankirihiry, kaominina Behara, distrikan’Amboasary, faritra Anôsy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo.

Tokantrano 2000 tao amin’ny distrikan’Amboasary no nisitraka vola 40.000 Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar avy, raisina isaky ny roa volana hahafahany mampiana-janaka. Maharitra telo taona ny fanampiana mba hanavotana ireo ankizy te hianatra tsy hiala an-daharana noho ny fahantrana. Arakaraka ny fahazotoan’ny ankizy mandeha an-tsekoly ny vola omena mba hanavahana tsara ireo tena mavitrika sy mikiry.

Tosika ara-bolan’ny fanjakana malagasy tanterahin’ny FID, harindran’ny minisiteran’ny Mponina ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ny tosika Fiavota, raha ny fanazavana nentin’ny tale iraisam-paritry ny FID ao Androy sy Anôsy, Rafanomezantsoa Jean Victor.

Tokantrano miisa 90.000 no misitraka izany ao amin’ny faritra Androy sy Anôsy. Efa hatrany amin’ny taona 2016 ireo fianakaviana ireo no nahazo ny tohana Fihavota ary hitohy hatramin’ny 2023 izany.

Tanterahina anatin’ny distrika enina dia Ambovombe, Amboasary Atsimo, Beloha, Bekily, taolagnaro ary Tsihombe ny tosika Fiavota.

Taorian’ny haintany mahery vaika, ny taona 2015 dia nanapa-kevitra ny fanjakana hanao ny tetikasa vatsy Fiavota. Ireo fianakaviana namonjy ny toby Seecaline tamin’izany no noraisina avy hatrany hisitraka ny tohana noho ny tsy fanjaraian-tsakafo nahazo ny zanany.

Misy ny tan-tsoroka ara-pivoarana hahafahan’ny ankohonana miarina sy hahaleotena. Ampianarina mitantana ny vola araka ny tokony ho izy, misy fanentanana amin’ny fitandroana ny fahasalamana, fandrindram-piterahana, fitantanam-bola ao an-tokantrano. Eo koa ny fampianarana mikasika ny fambolena sy fiompiana…

Lasa matoky tena ny vehivavy

Nanazava ny talem-paritry ny mponina ao Anôsy, i Zafiniriana Claudette, fa lasa miarina ary manana fahatokisan-tena ny vehivavy rehefa nahazo ny karazana tosika avy amin’ny fanjakana. Afaka mampiana-janaka izy ireo ary mahavita mamelona ny ankohonany. Mbola matanjaka ny fanajana ny fomban-drazana any Anôsy. Ny lehilahy no mitantam-bola. Mihafihafy aman-kanina ny renim-pianakaviana sy ny ankizy fa ny raim-pianakaviana no tena misakafo. Vokany, lasa mangataka ny ankizy, noana any an-tsekoly ka tsy mifantoka amin’ny fampianarana…

Ankehitriny afaka mitantam-bola ny vehivavy satria efa sahy miasa, mivarotra sakafo masaka… Misitraka ity tosika Fiavota ity.

Tatiana A

Partager sur: