Firongatry ny aretina gripa: niverina ny fitondrana arovava orana any an-dakilasy

Mamely ny aretina gripa, sery, kohaka, sohika amin’izao fotoana izao. Namerina ny tokony hitondrana fitaovam-piarovana indray ny mpitantana rehefa miditra ny faritry ny sekoly.

Nandray fepetra nanomboka tamin’ity herinandro ity ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo manoloana ny fiparitahan’ny aretina gripa ka mamely ny mpianatra. Tsy maintsy mitondra arovava orona avokoa ireo rehetra miditra ny faritry ny sekoly ary tsy azo esorina izany mandritra ny fotoam-pianarana rehetra. “Miverina avokoa ny fepetra nihatra nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 tany an-dakilasy. Raha misy ankizy iray voatily fa mitondra ny tsimokaretina, hakatona ilay sekoly misy azy. Raha miakatra telo ireo marary, mitsahatra mihitsy ny fampianarana ary miantso ny tomponandraikitra handra­raka fanafody amin’ny efitrano rehetra”, hoy ny fanazavan’ ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miankina eto Madagasi­kara, Rakotomalala Célin, omaly. Mbola mipetraka ny vaomiera mpanara-maso ahitana ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary ny talen-tsekoly. Tokony hanana fifandraisana tsy tapaka amin’ny mpiandraikitra ny CSB na tobim-pahasalamana manakaiky ny sekoly izy ireo. Tsy ny toeram-pampianarana rehetra no manana “infirmerie” ao aminy.
Tsy misy ny toromarika manokana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena momba ny fepetra tokony harahina manoloana ny firongatry ny aretina gripa, kohaka sy sery eny anivon’ny sekoly fa ny mpitantana tsirairay no mandray fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy ao aminy. Ho an’ny sekoly sasany, nampilazana ny ray aman-dreny tsy handefa ny ankizy any an-dakilasy raha misy fanaviana sy gripa ny zanany. Mila taratasy avy any amin’ny mpitsabo koa momba ny fivoaran’ny fahasalamana vao tokony hiverina an-tsekoly hisorohana ny mety famin­drana amin’ny mpiray laki­lasy.
Tsy ho an’ny sekoly tsy mian­kina ihany ny famere­nana indray ny fitondrana arovava orona, efa nihatra koa izany fepetra izany ho an’ny sekoly teknika sasany mian­kina amin’ny fanjakana eto an-dRenivohitra.

Vonjy A.

Partager sur: