FMMB: nankalaza ny andron’ny Baiboly

Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Bai­boly ny Fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly eto Mada­gasikara, omaly, teny Antaninarenina. Nanasana ireo solontena isam-piangonana misy eto amin’ny Nosy, toy ny avy amin’ny Angli­kanina, Katolika, FJKM, Ad­vantsita…. Nahitana fikambanana maro samihafa ihany koa tamin’izany. Anisan’izany, ny mpiara- mamaky ny baiboly, fampirasaina kristianana rehetra ho an’ ny firenena….
Ny tanjona tratrarina ta­min’ity fankalazana ity dia ny mba ho heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina i Madagasi­kara sy hambolena fahazarana hamaky Baiboly ao anatin’ny olona. “Baiboly miisa 80 000 no ezahina ho lafo amin’ity taona 2022 ity”, raha ny fanazavana nataon’i Hasina Andria­nambinintsoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny mpampiely Baiboly eto Mada­ga­sikara.
Maro ny hetsika natao nan­dritra izany ho an’ny eto Anta­nanarivo. Teo ny fampiofa­nana mikasika ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny endrika vaovao ka nanaovana fifanakalozana: “60 andro fanorenana ara-tsoratra masina” hotanterahina amin’ny taona 2023. Nisy ihany koa ny fihenam-bidy ho an’ny Baiboly dikan-teny iombanana eto Mada­gasikara (DIEM) omaly. Mba hanentanana ny olona handray anjara amin’ny tetikasa “Bai­boly iray isan’andro”. “Teny mamelona, teny mampitombo” ny lohahevitra tamin’ity taona ity.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: