Zon’ny ankizy: tsy maintsy mahalafo oviala vao misakafo i Safiry

Tovovavikely mipetraka ao Andranovory, sampanana afaka an’i Sakara, hiditra ho any Tongobory, faritra Atsimo Andrefana i Safiry. Mivarotra sosa na oviala no hahafanta­ran’ny maro azy, amin’ireo olona tonga mivezivezy eo Andranovory. Tsy maintsy mahalafo oviala izy vao afaka misakafo. Ankoatra izay, man­gataka tavoahangy amin’ireo vahiny mivezivezy eo an-toerana izy hitaomany rano. Tsy maintsy mitondra vola ho an’ny ray aman-dreniny ihany koa i Safiry rehefa hariva ny andro. Manodidina ny 2000 Ar isan’andro no azony raha tsara ny tsena. Hafaliana ny azy rehefa misy karandalina tonga avy any Taolagnaro ho any Toliara mijanona kely mividy zavatra eo satria efa lanilany vatsy ny olona tonga eo ka tsy maintsy mividy. Ireo no tena mpanjifany. Tsy mianatra fa mivarotra maraina mandra-paharivan’ny andro no ataony. Oviala sy manga vitsivitsy no amidiny. Indraindray zara raha mahalafo. Fitserana amin’ireo mpandalo aza sisa no hahazoany vola matetika. Tsy mahafan­tatra na dia ny taonany aza i Safiry. Sahabo ho eo amin’ny 12 taona eo raha ny habeny. Enina mianadahy izy no mpiray tampo ary izy no faharoa. “Mbola manan-jandry efatra karakaraina sy itondrana sakafo isan-kariva aho”, hoy izy. Miompy ondry aman’osy no ataon’ny ray aman-dreniny. Ny hanana tsena tsara sy varotra mandroso no tena fani­riany rahatrizay lehibe satria izay no fantany fa tena fiai­nana.

Tsy mahafantatra na dia iray aza mikasika ny zony akory i Safiry. Amin’ny ankapobeny, tsy misitraka ny zon’ ny ankizy izy fa na noana sy mangetaheta aza dia tsy main­tsy manao asa varotra vao mihinana.

Tatiana A

Partager sur: