Echecs – «Mondiaux 2026» : Mianto-tena ny ekipa malagasy

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompodaka maneran-tany «Mondiaux 2026 » taranja «Echecs», i Mada­gasikara. Fihaonana hotanterahina any Roquetas de Mar, Espagne, manomboka anio ka hatramin’ny 21 oktobra ho avy izao. Ho an’ny sokajy zandriny U7 ka hatramin’ny U17, zazalahy sy zazavavy, ity fifaninanana ity. Mpilalao 8 mianadahy no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’izany. Tsy nisy fanampiana avy amin’ny fanjakana fa mianto-tena tanteraka ny ekipa malagasy. Fomba filalao amin’ny rafitra «Suisse» izay misy fihodinana 11 no hanatanterahina ny fihaonana.

Tompondaka

Ireo Malagasy mpilalao:

U7 Open: Rakotomalala Tsiory Felix.
U9 Open: Rasolondraibe Nehemiah.
U11 Open: Rarivoson Mboahangy Jude Fortune.
U11, vehivavy : Rasolondraibe Melody Grace.
U13 Open: Rakotomalala Andrianina
U15 Open: Radavidson Andriatendry Manjakasoa.
U15, vehivavy: Razanampiakarana Mika Nomenjanahary
U17, vehivavy: Andriamanantsoa Tafita Tsiaro Ny Aina.

Mpitarika : Rasolondraibe Haritantely.

Partager sur: