Anisan’ireo atleta hiatrika ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ) hatao atsy Senegal, ny 30 oktobra – 13 novambra ho avy izao, Rakotonoely Tendry Tsiky Mahay Tia, vehivavy atleta eo amin’ ny taranja fibatana fonjamby. Nambarany fa efa nanomana fatratra an’io fifanintsanana io ny tenany na teo amin’ny ara-batana izany na teo amin’ny ara-tsaina. ” Efa nanomana an’io fifaninanana io aho, vonona ny tenako ny hanome ny tsara indrindra avy amiko amin’ny lalao Olympika. Io no anisan’ny fifaninanana ngeza indrindra hatrehiko”, hoy i Tsiky Tendry Mahay Tia, omaly, tetsy Ivato. Izy irery no solontenan’i Madagasikara amin’ity taranja ity. Tsiahivina fa nahita vokatra tsara ny tenany nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika natao tany Alger, Alzeria, ny herinandro lasa teo. Nandrombaka medaly volamena miisa enina izy, tamin’izany. Tsara marihina fa nanao sokajy roa, “cadets” sy “juniors”, izy tamin’io fifanintsanana afrikanina io, nahazoany medaly avokoa izany. Tsara ny mampahafantatra fa ankoatra io medaly azon’i Tsiky Tendry Mahay Tia io, nitondra vokatra tsara ihany koa ny lehilahy, izay nahitana an-dRalijaona Voharimboninahitra. Nisalotra medaly volamena telo teo amin’ny sokajy latsaky ny 56 kilao izy. Taranja anisan’ny tena mitondra medaly maro ho an’ny Malagasy ny fibatana fonjamby. Nandritra ny lalaon’ ny Nosy 2023 natao teto Madagasikara, saika ny Malagasy avokoa no nandrombaka ny medaly.
Fitia Randria





