Mois : janvier 2023

Rugby: mikiry ny hamerenana ny fifidianana ireo ligim-paritra

Mitohy ny fitakiana ho an’ireo ligim-paritra eo anivon’ny taranja rugby. Mikiry hanao fivoriambe sy hamerina ny fifidianana anatin’ny mangarahara izy ireo. Taorian’ny fankatoavan’ny rafitra iraisam-pirenena, Rugby Afrique sy ny federasiona iraisam-pirenena (IRB), ny fahalanian-dRakotomalala Marcel, hitantana ny Malagasy rugby ho an’ny taom-piasana manaraka. Miseho indray ireo ligim-paritra sasany, mijoro ary […]

Sampam-pianarana teny anglisy: nanome fitaovana ny Amerikanina

Nanolotra fitaovana ho an’ny sampam-pianarana teny anglisy eny amin’ny oniversiten’Ankatso ny ma­soivoho amerikanina, oma­ly. Nahitana fitaovana elektronika sy fanaka an-dakilasy. Tanjona ny fanatsarana ny tontolo fianarana ao amin’ny efitrano fianarana sy tranomboky ao aminy. He­verina fa hanampy sy hampirisika hatrany ireo mpianatra hisitraka fomba fianarana mahomby kokoa, ireo talantalana, latabatra, […]

Oniversite FJKM Ravelojaona: nisokatra omaly ny taom-pianarana

Nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ny taom-pianarana vao­vao 2022 -2023 ho an’ny oniversite FJKM Ravelojaona, afakomaly. Fotoana nankalazana ny faha-dimy taona nijoroan’izy ireo ihany koa. No­tanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, Mahamasina ny fankalazana.  Maro ny hetsika ara-kolontsaina nataon’ny mpianatra, toy ny fampisehoana ireo foko 18 sy ny kolontsaina anatin’ny faritra 23 […]

Atsimo Atsinanana : distrika fito amin’ny 11 sahirana ara-tsakafo

Sahirana ara-tsakafo avokoa ny distrika fito amin’ny 11 mandrafitra ny faritra telo any Atsimo Atsi­nanana ( Vatovavy-Fi­to­­vinany ary Atsimo Atsi­nanana), araka ny valin’ny fanadihadiana momba ny zava-misy ara-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahafatesana (Smart), natao ny taona 2022. Amin’ny ankapobeny, ma­ha­tratra 6,1% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika […]