Mois : janvier 2023

Federasiona Karate-Do : “Tsy ara- dalàna ny fifidianana tany Toliara”, hoy i Emile R

“Tsy manankery ny nahalany an’Andriamatoa Randriana­so­lo­niaiko Siteny ho filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM) indray”, hoy Ratefina­na­hary Emile, filohan’ny federasiona karate-do malagasy. Nisy ny fanazavana izay nataony, tamin’ireo mpanao gazety mahakasika io fanambarana nataony io, teny Antaninareni­na, omaly. “Taitra sy tohina tanteraka izahay nahita an’Andriamatoa Manitra, izay mitondra ny anaran’ny filohan’ny […]

Volley-CCCZone 7 : handray anjara ny Bi’As

Hotanterahina ny 23 febroary hatramin’ny 5 marsa 2023 izao any Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), ta­ranja Volley-ball. Vonona ny solontena malagasy, izay ahitana ekipa 4 (3 vehivavy ary 1 lehilahy), rehefa neken’ny Kaonfederasiona afrikanina ny fandraisan’anjaran’ny Bi’As. Araka izany, ny Stef’Auto […]

Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpilalao 42 hiatrika fampivondronana

Hiditra amin’ny fanomanantena, hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka (Can 2023), taranja rugby lalaovina olona 15 ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy. Mpilalao 42 mirahavavy no hiatrika ny fampivondronana, manomboka ny asabotsy 21 ja­noary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Saika mbo­la voatazona ao anatin’ireo nantsoin’ny mpanazatra, […]

Teny fampianarana teny Antsonjombe: nankasitraka ny asa fitoriana i Papa Solo

Hevitra hafa tsy itoviany amin’ireo namany ? Anisan’ ireo voasa ka nanatrika ny fo­toam-bavaky ny FJKM natao teny Antsonjombe afak’omaly lasa teo, ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rasolonjatovo Honoré na i “Papa Solo”. Nambarany fa fitaovana lehibe ahazahoana miady amin’ny fiainana andavanandro, ny olana eo amin’ny fiainam-pirenena ary […]