Tao anatin’ny telo taona farany, nandoavam-bola ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC . Ny foibem-panadinana tsirairay no mamaritra ny sora-bola ilaina amin’ny fanatanterahana izany fa tsy misy idiran’ny fanjakana, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. 1000 Ar ka hatramin’ny 1500 […]
Mois : janvier 2023
“Jamboree” any Korea Atsimo: telo lahy nahazo ny vatsin-dasy
Hotanterahina any amin’ny tanànan’i SaeManGeum, Jeollabuk-do, any Korea Atsimo ny ”Jamboree” maneran-tany andiany faha-25. Skoto zazalahy telo mirahalahy no hisolo tena an’i Madagasikara hiatrika izany any an-toerana. Izy ireo no voafantina hahazo ny vatsin-dasy hiantoka ny fivahinianana any mandritra ny 10 andro (1 ka hatramin’ny 12 aogositra 2023) hanaovana ny […]
Toetr’andro: hikija ny orana, ahina ny rivodoza ato ho ato
Mananontanona ny rivodoza! Hiakatra ny rano amin’ny toerana maro noho ny ora-mikija. Ahina ny mety ho fihotsahan’ny tany. Mila mivonona ny rehetra. Misy tangoron-drahona mivoatra miandalana ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 2500 km avaratra atsinanan’Antalaha no ahitana azy amin’izao fotoana ary mikisaka mianandrefana hatrany ny diany. Heverina hivadika rivodoza […]
Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety
Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]
Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy
Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]




