Mois : janvier 2023

Hatramin’ny taona 2000 : olana hatrany ny famatsiana herinaratra

Tany amin’ny 10 taona lasa, efa nisy ny fiaraha-nidinika tamin’ny Vondrona eoropeanina momba ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Votoatin’ny dinika tamin’izany ny fandrafetana politika vaovao momba ny angovo, izay efa nahitana lesoka ta­min’ny fiandohan’ny taona 2000. Niarahan’ny Vondrona eo­ropeanina sy i Madagasikara nandrafitra ny politika, izay tokony hifanaraka amin’ny filàna […]

Mitohy ny fidangan’ny vidin-tsakafo: tafakatra 5.000 Ar ny kilaon’ny siramamy, 18.000 Ar ny kilaon’ny hena

Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny. Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny […]

Pesta : manana fanafody avokoa ny CSB

Efa nanomboka ny volana aogositra lasa teo ny fotoana fisehoan’ny aretina pesta ary mifarana ny volana avrily. Manao fanentanana ho an’ny daholobe ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, dokotera Raharimamonjy Laliarisoa, satria aretina mora tsaboina sady azo sorohina izy io. «Miara-miasa amin’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ny mpiandraikitra ny CSB II […]