Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randriamiandrisoa Jessica, ilay Malagasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]
Mois : janvier 2023
Kolokitra : notolorana loka ireo ankizy mpilalao baolin’ny EPP Andavamamba
Notolorana fanomezana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Andavamamba, teny Alarobia, omaly. Izy ireo izay tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo. Notanterahina omaly teny amin’ny “Show-room” Yamaha Alarobia, ny fanolorana ny loka, toy ny baolina kitra, ho an’ireo ankizy mpilalao baolina ao amin’ny EPP Andavamamba. […]
Famaranana ny faha-30 taona : hanatanteraka ny seho lehibe ny TMI
Seho lehibe voalohany amin’ity taona 2023 ity. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, etsy Mahamasina ny famaranana ny fanamarihan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany. Fampisehoana lehibe hotanterahina ny 5 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Tanora Msina Itaosy en Live », fampisehoana mandritra […]
Mitoetra hatrany ny sanganasany…: nodimandry i Nary Guy, nanangana ny Nary Arthur
Rakotofamola Nary Guy no anarany feno. Anisan’ireo andrin’ny tarika Nary Arthur izy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zanany, nodimandry omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ ny hopitaly Ankadifotsy, ity mpanakanto ity. 70 taona i Nary Guy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry gitara i Nary Guy. Izy […]
Varotra fampirantiana : maro ny Malagasy liana amin’ny hosodoka
Tanterahina eny amin’ny Galerie Art Raparivo Ivokolo Analakey, ny varotra fampirantiana ny hosodoko, asa tanan’i Zonasandratr’Art. Ampolony ny hosodoko miranty eny an-toerana. Nanomboka ny talata 10 janoary 2023 izany varotra fampirantiana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2023. Ity mpanakanto mpanao hosodoko ity irery no hampiranty sy […]




