Hafaliana no nandraisan’ny mpankafy ity horonantsary ity ny fanambarana nataon’ny orinasa mpamokatra azy, tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra manao hoe “Malok’ila, le grand retour”. Ny talata 3 janoary 2023 no namoahan’ny trano mpamokatra ny fanehoan-kevitra ofisialy, na dia efa nisy aza ny siosion-dresaka nialoha izay. Horonantsary isan’ny nahaliana ny Malagasy izy ity […]
Mois : janvier 2023
Boky : hivoaka ny « Toe-tsaina mpandraharaha »
Hivoaka tsy ho ela ny boky « Toe-tsaina mpandraharaha » nosoratan’Andrianomenjanahary Fameno Antenaina na Nel Cael. Boky 80 pejy, hanentanana ny tanora hiroso amin’ny famoronana asa. Maneho momba ny toe-tsain’ny mpandraharaha mahomby. “Hamoha sy hanaitra ilay mpandraharaha ao anatin’ny tsirairay mba hahay hamorona asa sy handraharaha eto amin’ny firenena ary hambolena […]
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina : « Fanatontosana fomba ara-pinoana… Tsy tokony hisy ny fifanitsahana »
Manoloana ny zava-niseho teny Ambohimanga, ny 29 desambra 2022 teo, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. «Manoloana ny tranga niseho teny amin’ireo doany eny amin’ny Vohitr’ Ambohimanga farany teo ka nanaovan’ny tobim-pifohazana diabem-panafahana dia mahatsiaro ho manana adidy ny minisiteran’ny […]
Razanamahasoa Christine : miantso fitoniana eto amin’ny firenena
Nirary soa sy fahombiazana ombam-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nosinganiny manokana koa ireo solombavambahoaka namany rehetra sy ireo mpiara-miasa rehetra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. “Mba ho taona zina anjakan’ny filaminana, fitoniana, fifankatiavana anie ity taona vaovao ity ary ho eo ambany fitahian’ Andriamanitra izany”, hoy […]
Analalava – Lisitry ny mpifidy : toy ny zava-poana ny ezaka
“Kamo manatona ny kaominina tsirairay ny lehiben’ny distrika. Izay no mahatonga ny hoe tsy tomombana ny asany. Lasa ny sasany voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, ny sasany tsy voasoratra. Toy ny hoe zava-poana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny depiote voafidy any Analalava, i Djaosera Irénée. Mialoha ny fisoratana anarana […]




