Natolotra, ny alarobia teo, ny amboara ho an’ny orinasa mendrika tamin’ny taona 2022, karakarain’ny Memento. Voalohany tamin’ny sokajy Andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE), ny Star. Fanasokajiana nokarakarain’ny Memento, hampilaharana ny orinasa mendrika indrindra sy nijoro tao anatin’ny vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana sy toekarena ny taona 2021 sy 2022. Anisan’ny […]
Mois : janvier 2023
Eto afovoan-tany… Hitohy ny orana anatin’ny roa andro
Mbola hitohy anio sy rahampitso ny rotsak’orana miatoato ho an’ny eto afovoan-tany fa ny alahady vao ho maina ny andro, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Momba ilay rivodoza Cheneso kosa, omaly maraina, tany amin’ny 157 km andrefana somary avaratra andrefan’i Morondava no nisy ny foibeny. 120 […]
Tatitry ny BNGRC… 16 ireo olona maty vokatry ny rivodoza
Niakatra ho 16 ireo olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny firenena. Mahatratra 16 ihany koa ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 55 421 ireo olona traboina manerana ny Nosy, vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana. 12 665 […]
Sekoly 800 nohadihadiana: 4% amin’ny mpianatra T4 no mahafehy ny kajy sy frantsay
Nisy ny fanadihadana natao momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe teny amin’ny sekolim-panjakana (EPP) 800 ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021, teny anivon’ny kaominina 548 niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Nivoitra fa 4% amin’ny mpianatra kilasy T4 nanaovana fanadihadiana no nahamarina ny 80% amin’ny fanontaniana napetraka ho an’ny taranja kajy […]
Lemak’Antananarivo… Miakatra ny rano, mihatra loza manambana
Nanomboka omaly maraina, mihatra eto amin’ny lemak’Antananarivo ny filazana miloko mavo, indrindra ho an’ireo manamorona ny reniranon’i Sisaony. Miakatra tsikelikely ny rano vokatry ny rotsak’orana nisesy. Voakasiky ny filazana ny kaominina valo manodidina. Anisan’izany ny kaominin’i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, […]




