COI : nihena ny jono tsy manara-dalàna

Namarana ny fisafoana ny faha-60 aty amin’ny fari-dranomasina misy azy ny COI (Commission de l’Océan Indien) ny 30 janoary 2023 tao La Réunion. Ny sambo Osiris II nisafo ny fari-dranomasina any Comores, La Réunion, Madagasikara, Mau­rice, Seychelles ary Tan­zanie, nanomboka ny 7 hatramin’ny 30 janoary 2023. Sam­bo mpanjono 34 voasava tamin’izany, tsy nahitana fandikan-dalàna.
Ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indianiana no malaza ahitana ireo sambo mpanjono tsy manara-dalàna, saingy tamin’izao fisafoana farany izao hita fa nihena izany asa ratsy izany, raha oharina ny natao tamin’ny voalohany, izay nahitana 25 % fandikan-dalàna goavana momba ny jono.
Mihatsara ny zava-bitan’ny firenena mandray anjara amin’ny PRSP*, anisan’izany i Madagasikara. Nofaritana ny fomba hifanakalozam-baovao sy fanadihadiana. Tsara laharana, noho izany, ny COI amin’ny ady atao amin’ny jono tsy manara-dalàna sy tsy nanaovana fanambarana.
Tsiahivina fa nofaritan’ny COI tamin’ny 2007 io PRSP io, rehefa nahazo famatsiam-bola tamin’ny Vondrona eoropeanina avy amin’ny laminasa Ecofish. 15 taona tamin’ny 2022 niaraha-niasa amin’ny ady atao amin’ny jono tsy manara-dalàna

.
Ndrina

PRSP* : Patrouille régionale de surveillance des pêches

Partager sur: