Notsarovana omaly ny faha- 31 taona nahamay ny Rovan’ Antananarivo. “Efa tetika nomanina mialoha ny nandorana sy namotehana azy io”, hoy ny Pr Andrianarivo Jonah. Tokony ho tsarovana sy marihina isan-taona io daty io, raha ny fanazavany hatrany. Nisy antony manokana ny nandorana ny Rovan’Antananarivo. Nambarany fa “noho ny politikan’ny Lafrantsa, izay nanjanaka dia tsy avela miarina ny taranaka Merina teto Madagasikara, raha tsy izany sahirana izy amin’ny fanjanahana. Ahetry ny rehareha sy ny maha toteny ny firazanana hova, izay taranaka maha izy azy amin’ny lafiny varotra sy ny fahaizana. Nisy ny tetika famonoan-kasina tamin’izany. Tanjona tamin’io ny fanapotehana sy tsy ahafahan’ny merina hijoro amin’ny maha izy azy”.
Nisy ny fanamboarana ny Rova, taona maromaro taty aoriana, saingy, mbola nisy ny tetika fanapotehana ny maha izy azy. “Anisan’izany ny fikasan’ny Lafrantsa hanamboatra ny rova ary tsy asina mpanjaka Merina intsony mitondra ao fa mpanjakan’ny foko hafa any anindrantany no atao mifandimby”, hoy izy nanazava. “Izay tetikady izay dia voatohitray”, hoy ihany izy. “Tetika famonoan-kasina faharoa ny fanangonana ny bois de rose nogiazan’ny fanjakana tamin’izany mba hanamboarana ny Rova. Tsy nety izahay tamin’izany ary niakatra teo anivon’ny fitsarana mihitsy ny raharaha”, hoy ny Pr Andrianarivo Jonah. Nambarany fa anisan’ny famonoana ny hasin’Imerina mihitsy izany satria lasa olo-meloka ny taranaka Merina izay vao teraka, satria hazo sarobidy nangalarina tany anindrantany no nokasaina hanatsarana sy hanamboarana ny rova. Nohamifisiny fa tokony hiala ao amin’ny Rova ny Colisé. Tsy Rovan’Antananarivo fotsiny fa vohitra masin’Imerina Antananarivo io, rah any nambarany.
Mino





