Tsy misy rano! Mitaky ny hamerenana ny famatsiana rano amin’ny ara-dalàna ireo mpianatra. Efa nisy ny vahaolana naroson’ny jirama sy ny CrouA manoloana izany. Nitokona sy nanao fanakan-dalana ary nilanja sora-baventy, “banderole”, ireo mpianatra teny Ankatso II, omaly. Nitaky ny hamerenana ny famatsian-drano eny an-toerana izy ireo. Efa tapaka an-taonany […]
Mois : février 2023
“Festival Surajkund” any Inde: haneho ny kanto Malagasy ny Maf’B
Tonga ny fotoana hanehoana ny ketrika! Volana vitsivitsy lasa izay no nitsiry ny hevitra izay lasa tetikasa, hananganana tarika iray hivoy sy hitrandraka ny hira sy dihy vakodrazana manerana ny Nosy, ka afaka hisolo tena an’i Madagasikara rehefa misy ny hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena. Taorian’ny fitiliana ireo mpanakanto, natsangana ny Malagasy […]
Hosodoko: vonona haneho ny kantony i Guy Pradel
Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety natao teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely, ny Alakamisy 2 febroary 2023. Nampahafantarina tamin’izany fa mandritra ny telo herinandro, manomboka ny 7 febroary 2023 hatramin’ny 25 febroary 2023, ny fampirantiana tabilao, mirakitra ny asa tanan’i Guy Pradel. Mitondra ny lohateny […]
Fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena: « Tsy nitsanga-menatra fa nanome ny farafahaizany ny ekipa »
Laharana fahefatra ny ekipa malagasy nandritra ny « International Catering Cup », izay notontosaina tany Frantsa. « Marina fa nanantena ny hiakatra podium, saingy sahiko ny miteny fa tsy nitsanga-menatra isika satria tena nanome ny farafahaizany ny ekipa. Midera azy roa vavy aho, fa tsy moramora ny nifanandrina tamin’ireo mpifaninana izay tena efa […]
Sehatry ny literatiora: hifamotoana etsy Tsimbazaza ireo poeta
Hifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo poeta sy mpankafy poezia ary mpanaraka antsa tononkalo, ny alahady 5 febroary ho avy izao. “Hetsika iantsoana ireo mpisehatra izany anaty tambajotran-tserasera sy anaty onjam-peo koa izany”, hoy ny tompon’andraikitra, mpikarakara ny hetsika. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ary hifarana amin’ny 4 ora tolakandro […]




