Mois : février 2023

Ihosy : kamiaobe tratra nitondra vato Lepidolite

Tratran’ny zandary tao Sahambano Ihosy, ny 29 janoary 2023 tamin’ny 8 ora maraina, ny kamiaobe iray nitondra vato tsy misy taratasy mazava. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana no nahatrarana ity kamiaobe niaraka ta­min’ireto vato tsy ara-dalàna milanja enina taonina ireto. Karazam-bato antsoina hoe Lepidolite ireto tratra ireto, […]

Antenimierandoholona: nahomby 95% ny fambolen-kazo

Nidina ifotony tany Tsa­ramandroso, Manerinerina Ankazobe roa andro mialo­han’ny fambolen-kazo hatao ny filohan’ny Antenimieran­do­holona, Razafimahefa Heri­ma­nanana, omaly. Nahave­lom-bolo azy ireo ny taham-pahombiazana satria tafakatra hatramin’ny 95% izany ta­min’ireo zanankazo novolena, tamin’ny taon-dasa. Nojerena koa ny velarantany hatrany amin’ny 50ha hovolen’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona zanakazo miisa 70 000 fototra. “Tanjona ny hiarovana […]

Andron’ny manamboninahitra lefitra : feno 60 taona ny sekoly ENSOA

Andro miavaka amin’ireo manamboninahitra lefitra ny 01 febroary, nankalazaina nandritra izany koa ny faha-60 taona ny sekolim-pirenena manofana azy ireo. Andro manan-tantara ho an’ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy ny 01 febroary. Omaly, feno 60 taona ihany koa ny sekolim-pirenena ho an’ny manamboninahitra lefitra “ENSOA”. Nankalaza izany ny foloalindahy […]

Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana no­vambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. An­koatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]