Miteraka toe-tsaina vaovao ny fanoloana ny anarana « Malagasy » ho « Gasitsara ». « Ny fandrenesana sy fampiasana io anarana io isan’andro, ampy hanova zavatra lehibe eo amin’ ny fiainan’ny Malagasy », hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpandinika momba ny tantara sy ny fiarahamonina. “Rehefa tafapetraka ao amin’ny tsirairay ny toe-tsaina tia karokaroka, miasa, manatsara, manaja ny nisasaran’ny hafa, hoentin’ ilay toe-tsaina Gasitsara, azo inoana fa hanitikitika ny any anaty fo sy ny sain’ ny jiolahy, mpandroba, sns, izany», hoy izy. Tsy maintsy hitady loharanom-bola madio izy ireo na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe.
Miparitaka ny fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy. Raha ao amin’ny tsirairay anefa ilay toe-tsaina Gasitsara, tia mikaroka ny ho amin’ny famokarana madio, inoana avy hatrany fa ilay fahatsilovan-tsaina entiny hanamboarana basy, hoentiny hamoronana fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (milina maro isan-karazany, angadin’ omby, sns…) mba ho tombon-tsoan’ny besinimaro. Raha mbola minia manohy ny tsy mety anefa izy, tsy maintsy hanitsy azy ny fiarahamonina rehefa eo ilay toe-tsaina Gasitsara.
Fiparitahan’ny zava-mahadomelina, miteraka tsy fandriampahalemana. Eo anatrehan’izany, ilay toe-tsaina Gasitsara miantso sy mitaiza ireo tanora ho olom-banona sy ho tompon’andraikitra, Hahay hisafidy ny tsara sy ny mahasoa hatrany. Hitondra hafanana eo anivon’ny tokantrano, Hitondra vitrika ho an’ireo tanora na ireo olona misedra olana. Matetika ireo olana misy eo amin’ny fiainana andavanandro no mahatonga ny fidorohana. Ilay voambolana « tsara » hiantsoana azy mihintsy no hisintona azy hanao ny tsara hatrany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




