Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Campus Oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny ivontoerana fampiofanana sy fampianarana teny Koreanina tatsimo. Tsy ny fiteny ihany no hovoizina na horatovina ao fa ny kolontsaina, sy ny fomba fahandro, ary ny fomba filalaovana nentim- paharazana. Anisan’izany ny ” K-Pop sy Ariang” avy any amin’ity firenena ity.
Nitarika ny lanonana, ny masoivohon’ny Koreana tatsimo, Park Ji-Hyu, andaniny. Izay rahateo no angady nanana sy vy nahitana ny fametrahana an’ity ” Institut King Sejong” faharoa eto Madagasikara ity. Nanome voninahitra ny fotoana, ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, ny dokotera, Razanakolona Diny, ankilany. Ity farany izay nanamafy fa manandanja ho an’ny mpianatra ny ivontoerana.
Nisy ny fanolorana fitaovana informatika sy fanolorana vola 11 tapitrisa Ariary ho fampandehana ny ivontoerana.
Sajo





