TARATRY ny KANTO

Nanakoako tao Antsahamanitra ny “Live 16 mesures”, omaly. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Mpanao Rap sy Hip Hop manana ny maha izy azy no niaka-tsehatra ary hita taratra ny mbola fankafizan’ny Malagasy ireo gadona ireo.

Razafiarisolo Telina no solontena malagasy amin’ny “Miss Africa International 2026”, hatao any Port Hartcourt Nigeria, ny 25 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao. Efa misy ny fifidianana hatao ao amin’ny tambazotran-tserasera mba hahazoana ny anaram-boninahitra “Miss People’s Choisie”, amin’ity fifaninanana ity.

Hankalazaina ny zoma 16 oktobra izao, eny amin’ny Parvis Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andron’ny firotsahana an-tsitrapo frantsay, mitondra ny lohahevitra “Ny firotsahana an-tsitrapo sy ny fampandrosoana lovainjafy”. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny fandaharam-potoana mahakasika ny fankalazana. Hisy ny hetsika ara-javakanto sy fifanankalozan-kevitra.

Partager sur: