« Madajazzcar 2026 » : Roa herinandro nifampizarana mozika

Zokiny indrindra amin’ny “festival” rehetra misy eto Madagasikara ny “Mada­jaz­zcar”. Zokiny, midika ho be traikefa. Mety antony nahatsapana ny fifampizarana mozika nandritra ny roa herinandro nisian’ny hetsika izany, na dia toa izay foana aza ny isan-taona. Naparitaka tamina toerana samihafa, mba hisian’ny mpanaraka maro ihany koa. Ao ireo toerana efa zatra mandray mozika jazz.
Nosafidiana manokana kosa ny tokotanin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, nanaovana ny seho famaranana ny sabotsy lasa teo. Antony voalohany ilay fampahafantarana, fampivelarana ary fizarana ny mozika jazz ivelan’ireo efa mpankafy sy mpiangaly azy. Tarika maro, nisafidy mozika maroloko sy tsy misy fefy no nifandimby niaka-tsehatra. Ry Vahandanitra, Mamry Jazz Band, ny BBBB, Joro J Project, Silo trio, The Mut­haiga Tree, Monika Njava Friends, Soa Hary, sns.
Tsy fampisehoana mozika fotsiny ny “Madajazzcar”. Mbola manamafy ilay fifampizarana ny “Masterclass” ma­ro­maro, notarihin’ireo mpitendry fanta-daza vahiny sy malagasy, toa an-dry Joël Rabesolo, Toine Thys, Angelo MoustaphaEddy Grey, The Muthaiga Three, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: