Fikambanana mifototra amin’ny fandalana ny kolontsaina, ny fivoizana ny haiady malagasy ary ny zara hasina ny Ranovory. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao malagasy, izay hotontosain’ny fikambanana ny 2 avrily ho avy izao, eny amn’ny INJ Carion, manomboka amin’ny 9 ora maraina. « Hanasanay ireo mpikambana rehetra, iarahana amin’ireo zanaky ny tanàna ao amin’ny kaominina Nandihizana, ny vondron’olona ifotony ary ireo rehetra vonona hivoatra am-pahavitrihana, am-pitiavana ary am-pahamarinana izany », hoy ny filohan’ny fikambanana, Rakotoniaina Anny Rivers.
Nanomboka tamin’ny taona 2008 izay nijoroany, mandray andraikitra amina sehatra maro eo anivon’ny fiarahamonina ny fikambanana Ranovory. Ankoatra ny fitaizana ara-tsaina, ara-batana sy ara-panahy, eo koa ny fampianarana ny tanora amin’ny fahaizana mitondra tena toy ny fanalana izay vonona amin’ny fandraisana zava-mahadomelina. Tsy latsa-danja ny fandalinana ny fanajana ny kolontsaina, toy ny kabary, hainteny, sns. Miara-dalana amin’izany ny fampivoarana ny fiainan’ny mpikambana sy ny fampandrosoana ary ny fandraisana andraikira eo anivon’ny firenena.
Zo ny Aina




