Mois : mars 2023

Menabe Antimena : hanomboka ny fizarana « titre vert »

Nampahafantarina tany Morondava, ny 17 marsa teo, ny fanombohana ny tetikasa hanomezana karatany maitso (titre vert) ny mpifindra-mo­nina manodidina ny Faritra arovana Menabe Antimena (Apma). Manohana azy ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), miaraka amin’ny minisitera isan-tsokajiny voakasika, toy ny ao amin’ny Fambolena, ny Fanajariana ny tany, ny […]

Base Toliara: hitan’ny filoha ny fitakian’ny mponina

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Toliara ny filoha Rajoelina, ny 12 marsa teo, tao amin’ny Kianja Maître Kira, Andaboly. Nizara fanampiana ho an’ny traboina tratry ny rivodoza Freddy izy. Nohararaotin’ny mponina koa ity fotoana ity nitondrana sora-baventy, mitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara. Nahita maso mivantana ny fitakian’ny mponina, hanokafana […]

Lalana Ratsimba… : ho tapaka amin’ny ampahany

Nampahafantatra ny fiadidiana ny tanànan’Anta­nanarivo fa ho tapaka amin’ ny ampahany ny lalana Ra­tsimba, miainga eo amin’ ny Lycée Gallieni mihazo ny lalana Ravelojaona (kao­misarian’ny boriborintany faharoa), hatreo amin’ny lalana Joël Rakotomalala (Jules Ferry). Ny sabotsy izao no hisian’ny fahatapahana manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina. Mila […]

Partners in development fair : Ambohipihaonan’ny Peace Corps eto Madagasikara

Nihaona mivantana tetsy Antaninarenina nandritra ny hetsika “Partners in de­velopment fair” ireo mpila­tsaka an-tsitrapo avy amin’ ny Peace Corps Mada­gascar sy ireo mpiara-miasa aminy. Tafiditra ao anatin’ny fio­fanana ataon’izy ireo mialohan’ny handraisana ny asany ity fihaonana ity. Niompana tamin’ny fa­namafisana ny fifandrai­sana sy fiaraha-miasan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ame­rikanina amin’ireo fikambanana tsy […]

Djibouti: maka traikefa momba ny RSU i Madagasikara

Manatanteraka fihao­nana sy fifanakalozana traikefa any Djibouti ny eki­pan’ny fiahiana ara-tso­sialy avy eto Madagasikara sy avy any amin’ny Nosy Comores. Midinika momba ny fandrafetana ny lisitr’ ireo olona tena mila tohana ara-tsosialy (RSU) izy ireo hahafahana mifehy ny asa fanohanana ireny sokajin’ olona marefo ireny. Tanjona ny hampivoa­rana ny sehatry […]