Nivory ny filankevitra siantifika eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Voalazan’ny tatitry ny fivoriana fa efa voafaritra mialoha ny antony tokony hampiakarana filankevi-pifehezana ny olona iray ao anatin’ny oniversiten’Antananarivo. Fisandohana olona, fanaovana hosoka, diplaoma hosoka… no antony mitarika amin’izany, araka ny fepetra napetraka nanomboka ny taona 2020. Miangavy ny tomponandraikitra ireo mpikambana […]
Mois : mars 2023
Tetikasa Haratonaina : manovo fahalalana ao Rwanda ireo talem-paritra sy ny Fid
Herinandro ny faharetan’ ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy miaraka amin’ny Fid, any Kigali Rwanda. Miompana amin’ ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana hisian’ny fahombiazana eny ifotony no anton’ ny fifampizarana traikefa. Efa lasa lavitra i Rwanda amin’io sehatry ny fiahiana ara-tsosialy io […]
Hopitalim-panjakana : hatsaraina ny fomba fandraisan’olona
Manaraka fiofanana hanatsarana ny fomba fiasany ireo ekipan’ny sampana vonjy aina eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hampihatra avy hatrany ny fomba fiasa vaovao izy. Mila hita misongadina ny fiovana ka ireo manan-draharaha momba ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly no hahatsikaritra izany voalohany. Hitohy amin’ny sampandraharaha hafa ny fiofanana hisian’ny fanatsarana hatramin’ny sehatry […]
100 andro ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy : 18 ireo orinasa, fikambanana nandray andraikitra amin’ny sehatrasa telo
Rehefa tsy mianatra ny ankizivavy, 15 ka hatramin’ny 30 miliara dolara ny tetibidin’ny fahavoazana maneran-tany satria tsy afa-namokatra nampandroso ny toekaren’ny firenena izy ireo. Nifarana omaly ny 100 andro hanaovana asa ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy, natomboka ny 25 novambra teny Ankorondrano. Sehatrasa telo no hisafidianan’ny fikambanana na […]
Orange du Livre en Afrique 2023 : hiatrika ny famaranana i Michèle Rakotoson
Anisan’ireo mpifaninana dimy hiatrika ny famaranan’ny “Prix Orange du Livre en Afrique 2023”, andiany fahadimy, i Michèle Rakotoson, amin’ny alalan’ilay bokiny “Ambatomanga”. Ny 15 marsa 2023 no namoahan’ny mpikarakara ny vokatra, tany Abidjan Cote d’Ivoire. Nahatratra 38 ny boky nifaninana tamin’ity andiany ity. Boky avy amina firenena 12 avy eto […]




