Tontosa teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, ny alakamisy 16 marsa 2023, ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny tarika Rary. Noresahin’ny tomponandraikitra tamin’izany ny momba ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Rary, misehatra eo amin’ny dihy. Tanjona ny hanatsara hatrany ny tarika, indrindra ny sehatry ny dihy eto Madagasikara, hoy […]
Mois : mars 2023
Zoma Finaritra: hiray sehatra ny Sôva sy ny Slam
Seho tsy fahita firy ny fiarahan’ny Sôva sy Slam anaty fampisehoana iray. Tsy nataon’ny mpikarakara sy ny mpahay ireto kanto ireto sakana ny fahasamihafana misy eo amin’ny haikanton’izy ireo avy fa vao mainka nataony ho tanjaka enti-mampiroborobo ny kolontsaina amin’ny ankapobeny. Mpahay kanto avy amina karazana kolontsaina samihafa no hanafana […]
“Tafiaradia” an-tsehatra Iombon-talenta i Tal sy Rivoglita
Ela no niketrehana ! “Tafiaradia” an-tsehatra etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra ry Tal sy Rivoglita, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Rivoglita, havanana amin’ny fitendrena gitara sy ny fihirana. Maro rahateo ireo mpanakanto efa niarahany an-tsehatra. Anisan’izany i Bobo Mahavanona. I Tal, mpanakanto manana ny maha izy azy na somary […]
Kolontsaina sy teknolojia : mangetaheta ny « Silent party » ny tanora
«Rahoviana izy io vao ho tonga sy hihanaka eto Madagasikara ?» Mety efa misy ihany fa any anivon’ny fianakaviana vitsivitsy ! «Silent Party», na ilay fety fandihizana atao anaty efitrano na ankalamanjana, saingy tsy mitabataba be tahaka ny faheno mahazatra ny zavamaneno. Omena «casque» tsirairay ny olona rehetra manatrika ny […]
Mila mitandrina fatratra: nanjary tany be ankamantatra i Madagasikara
« Tany be ankamantatra », hono, i Madagasikara ! Io no ambaran’ireo mpikaroka (malagasy sy vahiny) maro momba ny tantara sy ny fomba. Antom-pisian’ny fomba amam-panao iray, aman-jato taona vao hita ny fototra. Ny ankamaroany aza, tsy tonga hatramin’izay niheveran’ny mpikaroka azy. Maro loatra ny zava-miafina sy ireo mety nafenina… […]




