Nandritra ny alahady fahadimin’ny karemy, nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny fikambanana Antilin’i Madagasikara manerana ny Nosy. Sehatra iray anabeazana ny ankizy sy tanora amin’ny alalan’ny finoana sy fiainana ny skotisma izay tokony ho hita taratra isan’andro amin’ izay rehetra misy azy ireo. “100 taona aty aoriana, tsy hita taratra […]
Mois : mars 2023
Tetikasa Avotse : nanome koba 7 t ny Groupe CFAO Madagascar
Nanatevin-daharana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Avotse ho fanampiana ireo ankizy mpianatra any Atsimo tohanan’ny fikambanana Fitia koa, manomboka izao, ny groupe CFAO Madagascar. Nanolotra koba 7 t entina hanampiana ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly any Atsimo izy ireo hanatevina ny vary sy laoka efa zaraina isan’andro ho an’ny mpianatra, ny talata lasa […]
Ben’ny Tanàna, Lovamanitra Ony Gloria: “Mitaky fahamafisan-doha ny fitantanana kaominina”
Iza izy ? Ben’ny Tanàna any Bemanonga, Morondava i Lovamanitra Ony Gloria. Anisan’ny mankafy mandihy ary tia ny gadona rehetra afa-tsy ny Rap sy ny Rock’n’roll. Fialamboly tiany ny mitsangantsangana. Mankafy ny sakafo rehetra koa ity vehivavy ben’ny Tanàna ity. Na izany aza, tsy azoazony loatra ny saosy voatabia. Manana […]
Etazonia sy Madagasikara : mafy orina ny fiaraha-miasa ara-tafika
Nanamafy ny endri-piaraha-miasa sy ny fomba entina hanatsarana ny fiaraha-miasa efa misy hatramin’izay eo amin’ny Tafika Malagasy ny Amerikanina, nandritra ny fihaonana teo amin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nambaran’ny MDN fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa […]
Fihaonambe hotarihin’ny FFKM: “Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana”
Nohamafisin’ireo filoham-piangonana indray… Hiroso any amin’ny fihaonambe hamoriana ireo zanany ny eo anivon’ny FFKM. Mirona any amin’ny “Ady gasy” izy ireo amin’izany. “Irin’ny FFKM ary efa antso nataony ny hisian’ny fihaonana eo amintsika samy Malagasy. Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana malagasy amin’ny olantsika. Iombonana ity firenena […]




