Naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fakana am-bavany azy tetsy amin’ny Pac, ny ben’ny Tanàna vehivavy iray. Voapaingotra ihany koa ny mpiara-miasa aminy iray, ny alarobia teo. Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, taorian’ny fampiantsoana azy teny amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), etsy 67 ha, ny ben’ny Tanàna iray avy any Vavatenina. […]
Mois : mars 2023
Mila manova toe-tsaina
Anatin’ny fanomanana ny andron’ny 08 marsa, andron’ny vehivavy maneran-tany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Hiavaka sy hiompana be dia be amin’ny maha olona ny hetsika. Efa miomankomana ny mpikarakara avy any amin’ny faritra handefa solontena. Ny vadin’ny mpitandro filaminana no efa misantatra izany anio, eny amin’ny kianja Barea, miaraka miombom-bavaka amin’ny […]
Fitoriana eny amin’ny HCC : hozongozonin’ireo depiote ny sezan’ny filoha Rajoelina
Nangata-panazavana amin’ny maha ara-dalàna na tsia ireo dingana nandravana ilay fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny volana desambra teo ny HCDDED. Maromaro ny fanontaniana anaty taratasy ampolony pejy nalefa eny amin’ny HCC. “Mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ve ireo dingana samihafa tamin’izany. Inona ny vokatr’izany eny anivon’ny Antenimierampirenena”, araka ny […]
Anjozorobe : dahalo telo lahy mpangalatr’omby lavo
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Beanana, kaominina Androvakely, distrikan’ Anjozorobe ireo malaso telo lahy nangalatr’omby. Nanao ity asa ratsiny ity tao Antanimenakely, fokontany Ambohitsaratany, ny alahady teo ireto dahalo. Tsy nipetra-potsiny manoloana izany ny zandarimaria avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale. Raikitra ny fanarahan-dia sy […]
Anosibe : mpanao trano handeha hiasa voaendaka
Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana eny Anosibe sy ny manodidina raha tsy hilaza afa-tsy ny eny Mandrangobato I. Raim-pianakaviana iray handeha hiasa vao maraina no nendahin’ny jiolahy omaly teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eo Mandrangobato I. Tsy vitan’izay fa voatsatoka antsy teo amin’ny kibony izy tamin’io fotoana io. Voalaza fa mpanao […]




