Mois : avril 2023

«Tournoi des petits champions»: nahazo medaly volafotsy i Précieuse Rakotovao

Notanterahina ny sabotsy 15 avrily lasa teo, teny amin’ ny kianja Car Mandrosoa Ivato, ny fifaninanana tenisy «Tour­noi des petits champions», ho an’ireo ankizy latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy. Anisan’ ireo nandray anjara tamin’ity ny ligin’Analamanga sy Atsi­nanana ary ny seksiona Maro­vatana. Anisan’ireo niavaka ny zava-bitan-dRakotovao Ambinimanana Précieuse, […]

Lomano-Mada 2023 : “Nivaly ny ezaka, mbola lavitra anefa ny lalana”, hoy Rabejaona Holy Antsa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny 50 metatra. Samy nanome ny tsara avy aminy ny mpilomano tsirairay. “Nivaly ny ezaka re­hetra natao, kanefa mbola lavitra ny lalana”, hoy ny nambaran-dRabejaona Holy Antsa. He­rinandro maro ny nanoma­nana […]

Basikety-Mibala Tournament : nafana ny andro voalohany sy faharoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniveriste “Mibala Tour­nament”, karakarain’ny ISPM (Institut Superieur Polytéchnique de Madagascar). Efa nanomboka ny alahady teo kosa ny lalao ary hitohy hatramin’ny alahady 23 avrily izany. Nafana ny fanom­bohana ary artista kalaza no nanafana ny lanonam-panoka­fana. […]

Repoblika Islamikan’i Iran : hanampy amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina

Nandray ny masoivohon’ny Repoblika Islamikan’i Iran miasa sy monina eto Madagasikara, Hassan Ali Bakhshi ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe. Nisy fanaovana tombana ny fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny taona maro sy ireo fifanarahana mbola azo tanterahina. “Mbola vitsy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny […]

Tantsaha any Mananara Avaratra: “Omeo fahazoan-dalana ireo mpisehatra lavanila”

Anisan’ny miandrandra ny hanomezana ny fahazoan-dalana “Agrément” ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny lavanila, miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra. Naneho ny heviny ny solontenan’ny tantsaha any Mananara Avaratra. Nambaran’ i Velo Rosalin fa tsy tena mivaha ny olan’ ity seha-pihariana ity na teo aza ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Anisan’izany ny fanalalahana. […]