Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsikafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita […]
Mois : avril 2023
Haintrano : “Prise” tsy voatsoaka, nirehitra ny trano
Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambohimanarina. Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohimanarina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny nanala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy […]
Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala
Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afakomaly. Nahatsikaritra io lehilahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala […]
Nahavita 96 050 000 Ar… : telo lahy tratra nanao vola sandoka
Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy tamin’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. […]
Halatra basy : tompon’antoka ny mpiandry fonja sy gadra
Mpiandry fonja telo sy voafonja telo indray naiditra am-ponja, afakomaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana momba ilay raharaha halatra basin’ny fonja ao Vavatenina. Nihanivoatra hatrany ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahazoana izao vokatra izao, taorian’ny famotorana rehetra. Basy Mas 36 efatra niaraka tamin’ny bala marobe tao amin’ny fonjan’i Vavatenina no […]




