Mois : avril 2023

Jobily volamena sy Amboaran-kira Paska : hanolotra ny « Hery iray » ny Chorale Orimbato

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroany. Hanatanteraka antsa Paska ny antokompihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Ao anatin’ny jobily vo­lamenan’ny Chorale Orimbato, hanolotra ny Amboarankira Paska ho fankalazana ny Paska 2023 izy ireo. Fampisehoana nosalorana ny lohateny « Hery iray ». Nankinina amin’ny So­ra­tra Masina araka ny 2 Korintiana […]

Baolina kitra : vehivavy 40 nahazo fiofanan’ny UEFA

Notanterahina tao amin’ny Novotel Ivandry, ny 3 sy 4 avrily lasa teo, ny fiofanana notarihin’ny “Union Euro­pean Football Associations” (UEFA), ho an’ny vehivavy, izay mitondra ny lohahevitra “Football pour les femmes”. Vehivavy miisa 40 no nahazo torolalana amin’ny resaka fitantanana ara-bola “Mar­keting”, fitarihana na “leadership” sy ny ara-teknika, tamin’ity andiany […]

Kitra : lasa ambasadaoron’ny Telma i Roro

Manomboka izao, ho masoivohon’ny orinasan-tserasera Telma Madagascar, ny mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan”, Rakotondrabe Romuald Felix na i Roro. Hifanome Tanana amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny roa tonta. Tsy diso safidy ny Telma Madagascar, nanendry an-dRakotondrabe Ro­muald Felix (Roro), mpanazatra ny Barea de Madagascar “Chan 2023”, ho ambasadaorony. […]

Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso […]