Nahazo fitaovana informatika antsoina hoe: application “Matac/Hanorina” avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Natolotra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely izany. Tanjona ny hanamorana sy hanampiana ny teknisianina amin’ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire). “Mahatratra 300 ny isan’ny fahazoan-dalana hanorina nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra alalana tamin’ny taona […]
Mois : avril 2023
Fandaharanasa Fihariana: miisa 100 ny tetikasa tohanana tato anatin’ny 3 volana
Isan’ny fandaharanasa manohana ara-bola sy ara-teknika ny malagasy mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Fihariana. Isan’ny omena lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha, indrindra ireo manana zava-baovao sy miantraika amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Isan’ny ataony laharam- pahamehana ny vehivavy mpandraharaha. […]
Basikety-Amboaran’i Frantsa : tafakatra famaranana ny ekipan’i Marion Fitia
Mpilalao teratany malagasy, mila ravinahitra ao Frantsa, Rasolofoson Marion Fitia. Ao amin’ny ekipan’ny Flammes Carolo izy no milalao. Ekipa anisan’ny sangany ao Frantsa ity ekipa misy an’i Marion ity. Miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Frantsa, taranja basikety, i Marion sy ny ekipany amin’izao fotoana izao ary tafakatra famaranana izy ireo. Ny […]
Kitra – Atsimondrano Champions League : Ekipa 78 hiady lelavola 4 tapitrisa Ar
Taorian’ny fahombiazan’ ny andiany voalohany Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra, hiditra amin’ny faharoa indray ny fifaninanana, karakarain’ny Atsimondrano Action Sport sy ny solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry. Nampahafantarina omaly zoma, tetsy Mahamasina, izany. Tsy miova ny loka hozaraina fa hitentina 10 tapitrisa Ar ihany. 78 ireo ekipa hiady ny 4 […]
Rugby – XXL Top 20 : hidona i Manjakaray sy Ankady
Hiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 2 avrily. Miisa 4 ireo fihaonana voalahatra amin’izany. Anisan’ ireo donabe andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa […]




