Mois : mai 2023

« Hôtel  Colbert » Antaninarenina : novidin’ny fianakavina Vellutini

Miova mpitantana na­nomboka ny alatsinainy teo ny hôtel Colbert, etsy Anta­nina­re­nina.. Novidin’ny fianakaviana Vellutini, ity trano fandraisam-bahiny iray malaza eto an-drenivohitra ity. Ani­san’ny teratany “Corse”, mpandraharaha malaza eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny fialamboly ny fianakaviana Vellutini. Ankehitriny, izy ireo no mandimby ny fianakaviana Léoni, nitantana nandritra ny 50 […]

Tetikasa BATAN: nahazo 9 miliara Ar ny minisiteran’ ny Tontolo iainana

Hampiroborobo ny toekaren’ny mponina sy hanampy amin’ny fiarovana ny ala honko ny tetikasa Batan, hatao ao amin’ny faritra Diana. Mahatratra hatramin’ny 9 miliara Ar ny vola hamatsian’ny Agence française de développement ity tetikasa ity. Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekare­na sy ny fitantanam-bola ny tetikasa Batan. Tetikasa ha­namafisana ny fiarovana […]

Airtel Madagasikara: niova filamatra vaovao

Mihoatra amin’ny eritreritra, na « au-délà de l’imagination ». Miova ho izany indray ny teny filamatra vaovaon’ny Airtel Madagasi­ka­ra, nanomboka ny alatsinainy 15 mey 2023 teo. Rivo-baovao entin’ny orinasa ho an’ireo mpampiasa ny tambajotra manerana an’i Afrika, indrindra ny tanora. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, Eddy Kapuku, fa « fanirianay […]