Mois : mai 2023

Manazary Betsizaraina: 55 ireo trano fonenana vaovao efa mitsangana

Nidina nijery ny fizo­tran’ny fanamboarana ireo trano fonenana, aorin’ny Seimad ,ao Manazary Betsizaraina, ny sekreteram-panjakana misahana ny Ta­nàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andria­manohisoa Gérard, omaly. Misokajy 2 ny trano eny an-toerana, efitra 4 sy efitra 3. Anarana iantsoana ity tanàna vaovao ity ny hoe, Soa Iadanana. Trano miisa 55 […]

Fihaonan’ny zandary: nankalazaina tamin’ny lalao baolina kitra

Nisy ny fihaonan’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny faritany Toamasina, ahitana an’Alaotra Mangoro sy Atsinanana ary Analan­jirofo. Fihaonana natao tetsy amin’ny kianja manara-penitr’i Barikadimy, nanomboka ny alatsinainy 15 mey lasa teo hatramin’ny alahady 21 mey. Hetsika ara-panatanjahantena, izay tarihan’ny jeneraly Ra­bemanantsoa Josh, kaomandim-paritanin’ny zandarimaria Toama­sina. Raha hiverenana ny lalao nandritra ny […]

« Ligue des Champions » : hifandona anio ny Man City sy ny Real

Hotanterahina anio alarobia, ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”, taranja baolina kitra. Ani­san’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandri­nan’ny Manchester City, An­glisy sy Real Madrid, Espaina. Izany dia hatao ao amin’ny Etihad Stadium. Tsiahivina fa nandritra ny dingana voalohany, notontosaina tao Santiago […]

Handball – «IHF Trophy 2023» : vonona ny Akio de Madagascar

Hotanterahina atsy Afrika Atsimo, ny 23 ka hatramin’ny 27 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra fahenina eo amin’ny taranja handball (IHF Trophy 2023), sokajy vehivavy, ca­dette sy junior. Raha tsiahivina, nafindra any amin’ny faritra fahenina i Madaga­sikara sy i Sey­chelles, noho ny tsy fahampian’ireo firenena mandray anjara […]

Ady totohondry – JIOI : hiditra amin’ny fampivondronana faharoa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny katrokady hifantenana ireo atleta, hiatrika ny fampivondronana faharoa, eo amin’ny taranja ady totohondry. No­marihin-dRanaivo Thierry, mpanazatra nasionaly, 56 no nanaraka ny fampivondronana voalohany, izay nanomboka tamin’ny 1 mey ka nifarana tamin’ny 13 mey. Ny roa isaky ny sokajy kosa […]